Tafio-drivotra mahery, hafanana mahery vaika, tsy fahampian-drano sy ny maro hafa. Efa tsapa sy iainana ankehitriny ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro.
Tetikasa iray iarahana amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana (PNUD) PNUD izay haharitra heritaona sy tapany no natomboka ny talata teo ary mitentina 1,348,962 dolara no Drafitra maty paika no entina miatrika ny fiovan’ny toetr’andro maneran-tany ka isan’ny manana izany i Madagasikara. Ampidirina anatin’ny drafi-pampandrosoana ny asa rehetra momba ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, toy izany koa ny teti-bola mifandraika aminy. Isan’ireo firenena marefo isika manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Mila jerena akaiky ny famatsiana rano izay iankinan’ny fiainan’ny olona anefa voakasiky ny fiovan’ny toetrandro voalohany. Ny rafitra rehetra mipetraka ka miantoka ny fanatanterahana ny PNA na Drafitra Fampifanarahana Nasiônaly (Plan National d’Adaptation) dia hamafisina hatrany indrindra momba ny fahazoana ireo famatsiam-bola ho an’ny toetrandro. Anatin’izany ireo Minisitera isan-tsokajiny, ny mpitondra ifotony, ny ONG, ny mpikaroka ka hananan’izy ireo fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny fanantaterahana ny PNA. Ny tanjona amin’izany dia ny fametrahana ny dingana rehetra ho fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ireo dingana ireo dia azo atao hatrany ny manatsara azy. Kendrena mba ho tafiditra amin’ireo dinika andraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena ny lafiny fiovan’ny toetrandro.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.