Fiatrehana ny fahavaratra

"Tsy misy Ambohitrimanjaka atahorana ho tondraka izany"


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Tsy misy Ambohitrimanjaka atahorana ho tondraka izany,

hoy ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ity, Ihajason Randriamanalintsoa, nanitsy ny filazana fa efa ho tondraka ny tanimbary ao an-toerana ao anatin'izao fihatrehana ny fahavaratra izao. Tsy mbola manana fanahiana amin'izany izahay hatreto, hoy izy. Voadidin'ny reniranon'Ikopa sy Sisaony izahay. Ny fefiloha fotsiny no arahana maso miaraka amin'ny APIPA sy Produir amin'izao fotoana izao. Teny Apinga teny izao nisy fefiloha nihotsaka teo dia noraisinay an-tanana na teo aza ny antsoavo natao tamin'ny APIPA hoe mba vonjeo "bois rond" na gony saingy tsy nisy namaly. Izahay teto Ambohitrimanjaka, noho izany, no nidina an-tsehatra nividy izany sy nitondra ireo vatan-dehilahy hanavotra ilay fefiloha. Fararano izao Ambohitrimanjaka dia efa samy mijinja ny variny ireo tantsaha. Teo amin'ny 6 taonina isaky ny hektara teo ny vokatra tamin'ity, hoy hatrany ny ben'ny tanàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT