Tsy misy izay tsy mikaikaika amin`ny fivangovangoan` ny fako eto an-drenivohitra. Manamafy kosa ny eo anivon` ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) nandritra ny fidinana ifotony omaly maraina teny amin` ny
Marais Masay fa “hisy fandraisana andraikitra misy misy kokoa ataon’ny CUA”. Mahakasika ity faritra ity dia hametraka “BAC à Ordure”’ny SAMVA, mba tsy hivarinan’ny fako ao anatin’ ny MASAY mba hahafahan’ny rano mihandrona mandritra ny fotoanan’ ny orana. Ho an` ny ilany atsinanana (vallée de l`est) izay mandray an’Ambodivona mahazo ny Besarety dia hisy fametrahana fotodrafitr’asa ahafahana madio ny lankan-drano sy hamahana ny fitohanan’ny rano. Marihana fa efa vita ny asa fanadiovana ny lakan-drano lehibe izay mivarina makany Marais Masay. Natomboka ny tetsy Besarety ka nihazo an’ Ambodivona , ny volana martsa teo 2020 ka nifarana ny farany volana oktobra teo. Mbola mitohy hatrany ny asa tanamaro ka ho sokafana indray ny manodidina an’ny Lnkandrano ny Maray Masay. Tanjona ny hisian’ ny fanadiovana sy fikorinan’ny rano mivarina an’i Marais Masay ho fitsinjovana ny fotoana ny fahavaratra. Nisy moa ny fidianana ifotony nataon` ny governoram-paritra Analamanga Hery Rasoamarimaka, ny Ministry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianarivelo, ny ben` ny tanànan` Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina ary ny Tale Jeneralin’ny APIPA Rakotojanahary Ranto omaly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.