Ny asabotsy 02 Aogositra 2014 teo no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ao amin’ny faritra Boeny. Miompana tanteraka amin’ny fanaraha-maso ny vidin’ entana sy ny varotra any an-toerana no fototra ijoroan’io fikambanana io
Miara miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra rehetra izy ity mba hisian’ny rindra-daminana sy ny ara-dalàna ho fiarovana ireo mpanjifa amin’ny fanjifany ny entana izay azony. Ahitana mpikambana miisa 15 no miara miasa ao amin’ity fikambanana miaro ny zon’ ny mpanjifa ity ao Mahajanga ity. Ny herinandro izao dia hanomboka ny asan ‘izy ireo ka fantatra fa hampiantso ny tompon’andraikitra ny fitaterana rehetra indrindra ny bus eto an-toerana izy ireo mikasika ny saran-dalana izay mampitaraina ireo vahoaka. Ny lehiben’ny faritra Boeny ihany koa dia nanampy an’ity fikambana ity ka dia nanolotra vola mitentina 2 000.000 ariary amin’ny fampandehana ny asan’izy ireo. Andrasan’ny mponina ao Mahajanga tokoa ny hiasan’ity fikambana ity satria dia matetika no ahitana entana efa lany daty sy simba no vidin’ny vahoaka izay miteraka aretina ho an’ny hafa. Ny fikambanana rahateo dia mandeha manara-maso ny toerana rehetra izay mpamoaka entana sy mpividy. Fantatra ihany koa fa efa nisy ny volavolan-dalàna mikasika, ity zon’ny mpanjifa ity izay nentina eo anivon’ny Antenimerem-pirenena mba andraisana fepetra ho an’ireo tsy manara-dalàna na koa manararaotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.