Taorian’ny dinika nifamotoanana tanaty fahitalavitra tany Antsiranana mikasika ny hetra sy ny olana amin’ny fampidirana azy, ny herinaratra tapatapaka lava tany an-toerana, ny rano fisotro madio dia ny lohahevitra manodidina ny fahasalamam-bahoaka indray no ho entin’ny RNDC Antsiranana miaraka amin’ireo olona hasaina manokana ao anatin’ny fandaharana FANKAREGNY na fifampihenoina sy fifampiresahana anaty fahitalavitra (débat televisé) ny 9 aogositra ho avy izao.
Niniana nofidiana ity lohahevitra ity, hoy Razafindrazaka Florys mpitarika ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa (RNDC) any Antsiranana, noho ny fahatsapana fa tena mitontongana izaitsizy ny fahefa-mividin’ny Malagasy ao anatin’ny fandalovana amin’ny krizy tsy misy fiafarany ka tsy afaka mitsabo tena fototra akory ny tsirairay raha sendra tsy fahasalamana. Voalaza, hoy izy fa eo amin’ny 50 ka hatramin’ny 60 taona ny vinam-pahaveloman’ny Malagasy amin’izao vaninandro misy antsika izao nefa raha tsy misy fitsinjovana manokana ny vahoaka dia azo antoka ny hidinan’izany ho any amin’ny 40 taona. Heverin’ny RNDC Antsiranana fa ny fanaovana haraton’aina na “filet de sécurité” ho an’ny fanafody sy any amin’ny toeram-pitsaboana samihafa no vahaolana haingana indrindra amin’izany. Ho an’ny RNDC nasionaly kosa dia nanambara ny filohany, Rabetsara Rakotorova Lita, fa aty amintsika aty Madagasikara no lafo indrindra ny saram-pifandraisana an-telefaonina ao anatin’izao firoboroboan’ny teknôlôjia maoderina izao. Tena mifaninana amin’ny fampakaram-bidy ireo operateram-pifandraisana telo misy eto amintsika ankehitriny ka tokony hampidirina ny China mobile fanta-daza amin’ny fahamoran’ny tolotra ara-pifandraisana entiny (tahaka ny an’ny Life tamin’ny fotoanandrony). Marihina, hoy ity filohan’ny RNDC ity, fa efa mitsangana ankehitriny ny “cellule thématique” mandinika ny manodidina ity resa-pifandraisana ity eto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.