FIAROVANA NY ZAVA-MANAN’AINA

« Mbola goragora ny fampiharana ny lalana eto amintsika »


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Hentitra ny Filohan’ny GERP na ny Groupe d'Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar

ny profesora Ratsimbazafy Jonah manoloana ny fampiharana ny lalana eto amintsika amin’ny fiarovana ireo zava-manan’aina mampiavaka an’i Madagasikara. Goragora loatra izany raha ny fanazavany. Laniana hatrany ny lalana hoy izy nefa tsy misy akory ny fampiharana azy ary tsy mbola nisy ny ohatra tsara nentina nanehoana ny fampiharana izany teto amintsika. Ny 95%-n’ny varika eto Madagasikara no efa saika lany tamingana raha tsy teo ny GERP raha araka ny fanazavan’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy hatrany. Hetahetan’ity Filohan’ny GERP ity araka izany ny tokony hanovana ny politika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika hahafahana miaro ireo zava-manan’aina sy zava-boahary mampiavaka an’i Madagasikara arahin’ny fampiharana ny lalana tsy hijerena tavan’olona. Hatreto mantsy hoy izy dia ireo madinika hatrany no midoboka am-ponja fa ireo vehivavy tena ati-doha tsy mbola misy mety tratra mihitsy. Mankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny GERP. Fampirantiana teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza no nisantarany izany ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Legende : Ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, Filoha mpanorina ny GERP nandritra ny fanokafana ny hetsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT