Fiarovana ny tontolo iainana

Tetikasa miisa 3 vatsian’ny USAID 41 tapitrisa dolara


  • Zoma 17 Mey 2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

izay vatsian’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) vola mitentina 41 tapitrisa dolara ho an'ny fiarovana sy ny fitantanana ny tontolo iainana eto Madagasikara mandritra ny dimy taona manaraka. Ireto avy ireo tetikasa: Ny USAID Harena, tanterahin'ny DAI , mifototra amin'ny tany izay hiasa eo akaikin'ny faritra arovana mba hanatsarana ny fivelomana, hanamafisana ny ezaka fiarovana, ary hampihenana ny loza manambana ny zavamananaina. Ny USAID Riake, izay tontosain'ny Foiben’ny loharanon-karena amoron-tsiraka ao amin’ny Oniversiten’i Rhode Island Foiben'ny loharanon-karena amorontsiraka ao amin'ny Oniversiten'i Rhode Isla, hifantoka amin'ny fiarovana ny ranomasina sy ny fandrindrana ny faritra hanjonoana sady manatsara ny fivelomana eny amoron-tsiraka. Ny tetikasa fahatelo, USAID Mizana, dia tanterahan'ny Alliance Voahary Gasy, ary hampiasa paikady fiarovana sy ady amin'ny kolikoly hanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana. Hiara-hiasa akaiky ireo tetikasa telo ireo any amin’ny faritra Menabe, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, DIANA, Analanjirofo, SAVA, Androy ary Vatovavy Fitovinany. Nanamafy ny finiavan’i Etazonia ny Ambasadaorony Claire Marie Pierangelo, ka nilaza fa ampitomboin’ny Governemanta Amerikana avo roa heny ny famatsiam-bola ho an’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny harena voajanahary eto. Zava-dehibe ho an’ny fahasalaman'ny mponina sy ny toekarena tokoa ny fiarovana ireo tontolo iainana an-dranomasina sy an-tanety ireo, hoy io Ambasadaoro io. Nisy ny fampirantiana izay nanehoan’ireo mpiara-miombon'antoka miisa 20 amin'ny USAID ny fahaiza-miasany amin'ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny fandraharahana maharitra. Ohatra amin’izany ny fanaovana saribao biolojika an’ny Miarakap, ny angovo madion’ny Jiro Ve,.. Nanomboka ny taona 2013, efa hitentina 125 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Amerikana ho an’ny fandaharanasa miady amin’ny fanondranana biby an-tsokosoko sy hazo sarobidy, manamafy ny fitantanana ny harena voajanahary, manatsara ny fitantanana ny ala sy ny ranomasina, ary miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina mba hampitomboana ny soa fanararaotra ara-toekarena ho an’ny vondrom-piarahamonina eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT