Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Orinasa maromaro no hanentana ireo namany


  • Zoma 23 Jona 2023

Amin’ny ankapobeny dia manimba tontolo iainana ny ankamaroan’ny asa hataon’ireo orinasa sasany eto amintsika. Anisan’izany ireo mamoaka rano maloto avy amin’ny akora hampiasaina, setroka mainty…

Na izany aza anefa dia efa maro ihany koa ireo tonga saina toy ny Kaloes, orinasa mpamokatra ireo karazana asa tanana Malagasy vita amin’ny rofia, izay efa nanamboatra toerana manokana hivarinan’ny rano maloto avy ao aminy eny Mahitsy. Efa nahita hetsika tsy hiparitahan’ny karbona mety hanimba ny fahasalaman’ny mponina ihany koa izy ireo…. Ho an’ny LABO OI, indray izay mpanamboatra nify dia efa nametraka panneaux solaires izy ireo , hahafahana misitraka ny herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro mba ho azo hampiasaina. Ho an’ny Moringa Wave indray izay manam-pahaizana manokana amin’ny famokarana huile essentielle dia efa miezaka miaro ny tontolo iainana ihany koa izy ireo no sady manome asa ny manodidina. Nanatanteraka atrikasa nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa izy ireo omaly. Toraka izany koa ny fitadiavana paikady hahafahana misarika orinasa namana hafa mba hanaraka ny dian’izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny atrikasa natrehin’ireo orinasa mpikambana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT