Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Nodimandry Raleva mahery fo


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Niamboho omaly 7 martsa 2023 Atoa M. Rajoary fantatry ny maro amin’ny hoe: Raleva, ilay raim-pianankaviana nijoro tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana,

nanohitra ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Vohilava Mananjary. Efa nanagadrana azy iray volana tany am-ponja io ny 27 septambra-26 oktobra 2017, rehefa notorian’ireo sinoa tamin’izany. Nangataka ny taratasy ara-dalàna mikasika ny fitrandrahana nataon’ny sinoa sy nanohitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna fa indrindra ny famotehana tontolo iainana toy ny renirano, saingy navadika ho zavatra hafa. Nijoro niaro azy kosa ireo firaisamonim-pirenena maro teto amin’ny firenena tamin’izany fotoana,... Voalaza moa fa tojo tsy fahasalamana izy, ary izao nandavo azy izao. “Lehilahy maherifo, nahavita ny adidiny tokoa satria dia niafara tamin’ny fangadrana azy ny ady, tolona nataony noho ny fiarovana ny Tontolo iainana sy ny Tombontsoa iombonana”, hoy ireo mpiara-mikatroka aminy amin’izany sehatra izany. Anisan’ny naneho ny alahelony sy ny fiaraha-miory sy nampahery ny fianankaviany eo anatrehan’ny fahalasany ny Mpikambana eo anivon’ny Tafo Mihaavo manerana ny Nosy sy ny Vatovavy sy Fitovinany.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT