FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

Navadika ho kifafa ny tavoahangy plastika ao Ampitatafika


  • Zoma 12 Janoary 2024

Tsy sangisangy intsony fa efa miroso tanteraka amin’ny fiarovana ny

tontolo iainana ny ao amin’ny kaominina Ampitatafika ao, distrikan’Atsimondrano. Hatramin’ny taona 2023 no mankaty mantsy dia fantatra fa efa navadiky ny kaominina ho kifafa avokoa ireo tavoahangy plastika miparitaka eny rehetra eny. Tsy maintsy mahavita kifafa vita amin’ny tavoahangy plastika iray isam-bolana isaky ny mpiasa noho izany ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Mbola maodely tsara nampitainy tamin’ireo dokera 27 lahy ao Ampitatafika izany omaly. Nozaraina kifafa vita amin’ny tavoahangy plastika ihany koa ireto farany mba hanadiovany ny faritra misy azy. Niampy lela-vola 10.000 Ar isanisany izany noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2024. Nanatanteraka ny fiarahabana ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina izy ireo omaly no sady nanamafy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Pati
Legende : Nozaraina kifafa vita amin’ny tavoahangy plastika tahaka izao ireo dokera !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT