Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Nanefa ny adidiny ny Sampana fitsarana fiarakodia eo Alarobia


  • Alatsinainy 01 Martsa 2010

Ho fanohizana ny ezaka hiarovana ny tontolo iainana eo anivon’ny Zandariamariam-pirenena, dia zana-kininina miisa 500 fototra no nambolen’ireo mpiasa ao amin’ny sampana fitsarana fiarakodia eny Alarobia, tao Beronono Imerintsiatosika ny 27 febroary 2010 tamina velaran-tany mirefy dimy ara mahery.

 

“Zandarimariam-pirenena mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro” no teny filamatra nanompanana ny taom-pambolen-kazo 2010 ary ny Zandarimaria mandray andraikitra kosa no teny baiko nanatontosana azy. Endrika iray isehoan’izany fandraisana andraikitra izany ity fambolen-kazo natao tamin’ny sabotsy ity. Tsy misaraka amin’ny asa sahanina amin’ny “fiarovana ny olona sy ny fananany” ny fiarovana ny tontolo iainana mba tsy ho tany karankaina holovan’ny taranaka, fa kosa hametraka tany maitso sy lonaka, dia ny famerenana indray ity tanindrazantsika ity ho Nosy maitso.
Ireo solontenan’ny mponina teny an-toerana notarihan’ny lehiben’ny fokontany ao Amboara, kaominina Imerintsiatosika no nanome ny toralalana ara-teknika tamin’izao fambolen-kazo izao. Hisy fanaraha-maso manokana ataon’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo mponina ireo ny zanan-kazo vao avy nambolena. Tonga nitarika ny fotoana teny an-toerana ny jeneraly Rehosevo, Tale jenerain’ny fitsarana fiarakodia, notronin’ireo manamboninahitra sy ireo mpiasa sivily mpiara-miasa aminy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT