FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

Hizarana zana-kazo maimaim-poana ny Graine de Vie


  • Zoma 15 Desambra 2023

Fikambanana miantsehatra hatrany amin’ny fijakiana sy ny fiarovana ny tontolo iainana

eto amintsika ny fikambanana Graine de vie. Anisan’ny tohana hoentiny amin’izany ny fanolorana zana-kazo maimaim-poana entina hanamaitsoana volo an’i Madagasikara ka tsy hanavana na fikambanana na sekoly ireo mila izany. Hisokatra anio Zoma 15 Desambra araka izany ny fizarana zana-kazo ho an’ ny taona 2023 tanterahin’izy ireo. Raha araka ny vaovao azo omaly dia eny amin ny foiben-toeran’ny Graine de vie pépiniére centrale no hanombohana sy hanaovana ny fizarana ho an’ny Faritra Analamanga. Manentana ny mpahazo tombontsoa rehetra mba hanara-maso akaiky sy hikarakara ireo hazo voavoly araka izany ny fikambanana mba ahafahana mahita vokatra tsara indrindra manoloana ny ady hatao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Toraka izany koa ny tsy fahampian’ny rotsak’orana antony mampahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo zaza latsaky ny 5 taona any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Raha toa ka fikambanana moa no haka ilay zana-kazo dia ilana taratasy mazava izany. Raha olon-tsotra kosa dia ny karapanondrony no ilaina. Tsy mivarotra zana-kazo kosa izy ireo no sady tsy mandray famandrihana fa miasa ho an’ny firenena.
Pati
Legende : Ireo mpianatra kely no tena mazoto mamboly hazo ho an’ny sekoly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT