FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

Hiara-hiasa ny Ministera roa sy ny FAO


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Simba tanteraka ny tontolo iainana eto amintsika.

Misy fiantraikany goavana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany indrindra fa ny fahasalaman’ny olona. Mba ho fanarenana ny tontolo iainana ary dia nisy omaly Alakamisy ny fanaovan-tsonia ny tetikasa FOLUR izay notontosain-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Atoa Charles Boliko solontenan’ny FAO eto Madagasikara sy Comores, Maurice ary Seychelles. Ny Tetikasa FOLUR raha tsiahivina dia natao indrindra hitantanana maharitra ny tontolo manodidina sy entina hampiroboroboana ny rafitra ara-tsakafo tsy manimba ala sy ny harena voajanahary izay hifantoka amin’ny fametrahana sy fanatsarana ny rohim-pihariana vary sy kafe. Tanjon’ny tetikasa FOLUR ny fanatsarana ny famokarana ny sakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ambanivohitra amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fiarovana ny ala sy ny karazan-javamanan’aina. Eo koa ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala, ary ny fitantanana maharitra sy mahomby ny rohim-pihariana kafe sy vary amin’ny alalan’ny fametrahana fitantanana ny fananan-tany mahomby. Haharitra 5 taona ny fe-potaoana hiasan’ny tetikasa ary ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana ary Fitovinany sy Vatovavy no hiasany. Tokantrano maherin’ny 300. 000 no hisitraka tombotsoa amin’ity tetikasa ity. Ny ministeran’ny tontolo iainana kosa no mitarika ny fanatanterahana ny tetikasa iarahana amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny FAO.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahina omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT