Fiarovana ny tontolo

iainana eto Madagasikara


  • Zoma 06 Febroary 2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Nomarihina tamim-pomba ofisialy omaly 05 febroary 2026 ny famoahana didim-panjakana miisa 21 momba ny famoronana faritra arovana vaovao sy ny fitantanana ireo tahirin-javaboahary miisa 10, hetsika lehibe notronin’ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël sy ireo manampahefana ambony. Ity fanapahan-kevitra ity dia manamarika fiovana lehibe taorian’ny folo taona mahery tsy nisy fanitarana ny tambajotran’ny faritra arovana nasionaly, ka manampy 1,82 tapitrisa hekitara vaovao ao anatin’ny rafitra fiarovana, ahitana faritra 15 an-tanety, faritra 5 an-dranomasina ary faritra 1 mifangaro. Tsy voafetra amin’ny fametrahana faritra fotsiny ny fiarovana fa mitaky fitantanana hentitra sy lovainjafy, ka navoaka ihany koa ny didim-panjakana miisa 10 manome andraikitra mazava amin’ireo rafitra sy fikambanana hiandraikitra ny fitantanana, mba tsy hisy intsony faritra arovana tsy manana mpitantana ofisialy. Ny faritra arovana dia tsy vitan’ny hoe mitahiry ny varika, ny ala ary ireo harena an-dranomasina tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, fa manampy amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, fiarovana ny loharanon-drano, fiantohana ny sakafo ary jono maharitra. Madagasikara dia miditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny rafitra manerantany Kunming–Montréal ary manamafy ny fanoloran-tena hanatratra ny tanjona “30 by 30” izay mikendry ny fiarovana farafahakeliny ny 30% amin’ny tany sy ny ranomasina alohan’ny taona 2030. Nohamafisin’ny Filoha fa ny fiarovana ny natiora dia tsy adidy ara-tontolo iainana fotsiny fa fiarovana ny aina, fiarovana ny maha-izy antsika ary fiarovana ny hoavin’i Madagasikara, ka ny fanavaozana ny Repoblika dia manolo-tena hanova ny fiarovana maharitra ho hery manosika ny fampandrosoana, hiaro ny lova voajanahary ho harena iombonan’ny Malagasy sy ny olombelona rehetra, ary hamela firenena manan-karena amin’ny zavaboary ho an’ny taranaka ho avy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT