Actualités

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA Efa miparitaka ao Mahajanga ireo fatana mandeha amin’ny masoandro


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Maro ireo fikambanana miaro sy mandresy lahatra ny olona amin’ny ady amin’ny fahasimbanan’ny ala eto Madagasikara raha ny ala ao amin’ny faritra Boeny no fantatra fa ripaka avokoa

Manoloana izay dia nitady vahaolana ireo fikambanana  misy eto an-toerana, anisan’izany ny fikambanana ADES ao Mahajanga izay miezaka manaparitaka ny fitaovana entina hisorohana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Fitaovana toy ny fatana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny fatana mitsitsy no vahaolana nentin’io fikambanana io haparitaka eto Mahajanga sy ny manodidina. Hampirantiana ireo fitaovana vokarin’ny ADES ireo  izay atao ao amin’ny tranoben’ny varotra mandritra ny efatra andro. Hiara-kifanome tanana amin’ny ADES io hetsika io ny Madasoleil izay mpamokatra fitaovana mandeha amin’ny masoandro. Hisy koa ny adihevitra atao amin’ny fitadiavan-bahaolana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika, indrindra aty amin’ ny faritra Boeny.  Anisan’ny mampihena ny lany amin’ny fampiasana harona sy miaro ny tontolo manodidina ny fmpiasana ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo ary efa betsaka ny olona nampiasa azy io no nahazo tombontsoa. Ezahin’ireo mpikarakara ny hetsika rahateo ny ahazoan’ny tsirairay an’ireo fitaovana ireo isan-tokantrano mba handray ny andraikiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT