Ho fiarovana ireo harem-bakoka eto amintsika, dia nahazo famatsiam-bola mitentina 1 miliara sy 488 tapitrisa Ar avy tamin’ny firenena Japoney isika, fanampiana efa nangatahina tamin’ny herintaona, hoy ny minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana, Brigitte Rasamoely, omaly
. Ny 800 tapitrisa Ar amin’io fanampiana no efa tonga ary nanaovana sonia tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny asa tanana omaly, natrehin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Ny UNESCO no hitantana izany entina hanatanterahana asa maro toy ny fanarenana ireo harem-bakoka sisa tavela ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izay mbola miisa 180, ny fananganana fotodrafitrasa iray hahafahana manambatra azy ireny. Notsindrian’ny minisitra fa hisy fanafarana manampahaizana manokana ho avy mihitsy avy any ivelany hanara-maso izany satria ny ilana olona mahay ny fikajiana ny harem-bakoka.
Pati
Sary Njaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.