Fiarovana ny biby sy ny natiora

Norombahin’ny Malagasy ny « Indianapolis prize 2025 »


  • Alarobia 14 Mey 2025

Misongadina sy mamiratra ny Malagasy ! Nivoaka ho mpandresin’ny « Indianapolis Prize 2025 »

nokarakarain’ny Indianapolis Zoo any Etazonia ny Pr. Lily-Arison René de Roland. Iray amin’ireo mari-boninahitra ambony indrindra maneran-tany amin’ny fiarovana ny biby sy ny natiora ity fankasitrahana ity. Izy ihany koa izany no tamin’izy 6 nifaninana no nahazo ny fankasitrahana 250 000 dolara. Nandritra ny 20 taona mahery, dia niady sy niaro ireo vorona mpiremby tandindomin-doza eto Madagasikara i Pr. René de Roland. Vokatr’izany ezaka izany, sarobidy tamin’ny fahaveloman’ireo karazana zava-manan’aina manokana efa saika lany tamingana. Nanana fomba fiasa miorina amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fiaraha-monina izy, ka tsy vitan’ny hoe niaro tontolo iainana fa nampandroso ihany koa ny mponina manodidina. Anisan’ny asa nanamarika azy ny nahitany karazana zava-manan’aina vaovao, nitarika ny fananganana faritra arovana nasionaly efatra, nanangana sy nikarakara teti-pampandrosoana ifotony hiarovana ny zava-boahary. Anisan’ny fikarohana nataony ny fahitana karazana gana tany amin’ireo toerana saro-dalana ny taona 2009 raha efa tsy fahita firy sy nahiana ho lany tamingana io karazam-borona io. Nahitana karazana ragidro vaovao ny taona 2022, karazam-biby mihira mbola tsy voarakitra anaty voka-pikarohana,... Nanofana tanora an-jatony 90 manana Master, 16 manana doctorat,... Nidera manokana sy nisaotra ny ezaka vitany ny Indianapolis Zoo ka nilazan’ny Filohany Dr. Rob Shumaker fa: “Nampihena ny fifandonana eo amin’ny olona sy ny biby ny ezaka nataony, ary nitahiry ireo « écosystème » tokana eto Madagasikara.” . Amin’ny maha faha-10 azy amin’ireo nahazo ny loka hatramin’izay, Pr. Lily-Arison René de Roland dia mampakatra avo ny voninahitry ny Malagasy, sy maneho amin’izao tontolo izao fa azo atao ny miara-miaina amin’ny natiora, amin’ny fomba maharitra sy mirindra. Nisaotra sy niarahaba manokana azy moa ny Minisitra Max Andonirina Fontaine sy ny fianakaviambe rehetra ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) noho ny asa nataony izay nambara fa mampirehareha an’i Madagasikara ary manome aingam-panahy ho an’ny mpahay siansa eran-tany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT