Actualités

Fiarovana ny ala Tsy nahomby ny paikady nandritry ny 30 taona


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Taorian’ny fihaonana voalohany teo amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra tamin’ireo mpitantana ala arovana natao teto

 

 

 

 

Antananarivo omaly dia efa tsapa fa tsy nahomby ny paikady momba izany nandritry ny 30 taona, hoy ny fanazavan’ny minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Ilaina noho izany ny manova paikady izay tsy manilika ny olombelona, hoy izy. Izany hoe paikady mifantoka kokoa amin’ny lafiny sosialy sy mampahazo aina ilay fiarahamonina ifotony. Mila tsaroana fa ny 12%n’ny harinkarena faobe eto Madagasikara dia azo avy amin’ny sehatra fizahantany. Ny 80%n’ireo mpizahantany tonga eto dia noho ireo ala arovana sy ny manodidina izay misy eto amintsika na an-tanety izany na an-dranomasina na ambanin’ny tany. Nanao antso avo ireo sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, siantifika ary ireo sehatra hafa ankoatran’izay noho izany ny minisitra mba hiara-hikaroka io paikady mahomby io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT