Fiarovana ireo valanjavaboahary

Nahazoana 9,42 tapitrisa dolara avy amin’ny AFDB


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan’ny AFDB na Tahiry Afrikana momba ny Fampandrosoana,

izay birao manokana ao amin'ny Vondron’ny BAD na Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana, ny fanomezana vola 9,42 tapitrisa dolara amerikana ho an'i Madagasikara mba hanatanterahana ny Tetikasa ho an'ny faharetan'ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fiarovana ny harena voajanahary ao amin’ireo valanjavaboahary nasionaly. Ny fanomezana dia avy amin'ny "Guichet d’action climatique", rafitra vaovao ao amin'ny Fandaharan'asa izay noforonina tamin'ny « 16e cycle de reconstitution de ses ressources », ho fanampiana amin'ny famenoana ny fahabangana lehibe amin'ny famatsiam-bola ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana aty Afrika. Ny tetikasa dia mikendry ny hanamafy ny faharetan'ny ara-pambolena ao amin'ny rafitra fiarovana ara-pambolena, ny fikajiana sy ny fampiasana maharitra ny loharanon-karena voajanahary sy ny tontolo iainana mba hampitomboana ny faharetan'i Madagasikara amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Izy io dia manomana ny fanatsarana ny fahaiza-manao manohitra ny fiovaovan'ny toetr'andro ho an'ny vondrom-piarahamonina mivelona amin'ny faritra manodidina ny valanjavaboahary, fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pidirana amin'ny alalan'ny fanomezana fidirana amin'ny faritra amin'ny vanim-potoana rehetra sy ny fotodrafitrasa fiarovana maharitra, ny fanomezana rano madio amin'ny alalan'ny fanamboarana lavaka fisotro sy fanaovana tohodrano mandinika, ary ny fananganana sekoly fanabeazana fototra ho an'ny vahoaka sy ivon-toerana fahasalamana fototra dimy ho an'ny fiarahamonina eo an-toerana. Hatreto, mbola tsy vitantsika amin’ny herintsika izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-boaharintsika fa mbola hiandrandrana hatrany famatsiam-bola vahiny, ary indraindray aza atao fitaovana fitadiavam-bola, fa ny fahapotehana mitohy ihany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT