Miisa 160 ireo tanora mpifaninana hanatanteraka ilay tetikasa ara-tsosialy fanadihadiana hiarovana ireo tokantrano tena fadiranovana. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity ny fampiofanana azy ireo teto Antananarivo.
Natokana ho an’ny torolalana amin’ny ankapobeny ny andro roa voalohany raha mivalampatra kokoa amin’ny resaka teknika sy andrana fampiharana kosa no miandry ireo mpiofana amin’ity herinandro ity. Hiditra an-tsehatra amin’ny tena tetikasa kosa izy 92 mianadahy voatsonga manomboka ny 13 jolay 2015 aorian’ny fanomezana azy ireo ny toromarika fifehezana ny fanadihadiana eny ifotony. Hiparitaka amin’ireo faritany 4 eto Madagasikara dia Antananarivo, Toliara, Mahajanga ary Toamasina avy eo ireo mpanao fanadihadiana. Hifantoka betsaka amin’ny lafiny sosialy mifandraika mivantana amin’ny tontolo ara-toekaren’ireo mponina ny iraka hampanaovina ireto zatovo ao anatin’ity tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny «Fonds d’Intervention pour le Développement» ahitana ny fandraisana anjaran’ny Bngrc ity. Misahana ny fampiofanana kosa ny eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena mikirakira ny Antontan’isa, araka ny fanazavan’ny tale ekonomika Rakotomanana Eric.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Ny tale ara-toekarena eo anivon’ny Instat Rakotomanana Eric
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.