Actualités

Fiarovana an’i Arphine Niala an-daharana ry Maitre Olala


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Raha vao niseho iny raharaha iny, dia niantso anay Atoa Gérard Rakotonirina Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety na ny OJM satria izay no fanao rehefa misy mpanao gazety lasibatra.

 

 

 

 

 Nanaiky tsy tamim-pisalasalana noho ny fiaraha-miasa. Niatrika ny famotorana niainga tany amin’ny polisy sy ny fampanoavana, hoy ny Mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala. Nisy fianakaviana nilaza fa hampidirina ny mpisolovava avy amin’ny TIM izay any Toamasina. Efatra anefa ireo mpisolovava ny ao anatin’ny kabinetra misy an’i Olala, izay ho 5 miaraka amin’ity mpisolovavan’ny TIM. Tsy nandà izany izy ireo. Efa niantsoroka ny dosie hatrany am-boalohany, araka ny fanazavana. Nanapa-kevitra hiala anefa ireto mpisolovava ireto, raha ny fanambaran’ny Maitre Olala, noho ny fahatsapana fampidirana loko ao anatin'ny raharaha; tsy manaiky fandokoana politika ny asan’ny mpisolovava izaho sy ny kabinetra misy ahy hoy ny Maitre Willy razafinjatovo na Olala. Na izany aza, nilaza izy fa efa mahatoky ny fahafahan’i Arphine Rahelisoa izy sy ny ekipany taorian’ny ezaka nataon’izy ireo na nisafidy ny hiala an-daharana amin’ny fiarovana aza.

Toky R sy J Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT