Fiarenana

taorian'ny rivodoza Nanolo-tanana an'i Toamasina


  • Zoma 20 Febroary 2026

ny mponin'Antananarivo

Mitraka, miezaka miarina tsimoramora i Toamasina taorian'ny takaitra goavana navelan'ny rivodoza Gezani herinandro lasa izay. Tsy namela ho irery ny mponin'i Toamasina ny mponin'Antananarivo fa nanao tantsoroka ary koa nitondra fanomezana vonjiranovaky voaangona avy amin'ireo tsara sitrapo nahitana orinasa, fikambanana, mpiasa, olon-tsotra nandritra ny hetsika tolo-tanana nentanin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Roa kamiao lehibe no voaangona tao anatin'ny telo andro, nahitana sakafo sy kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavanandro ary koa fitaovana samihafa ilaina amin'ny fanarenana. Nentina niazo avy hatrany an'i Toamasina ireo fanomezana avy amin’ny mponin'Antananarivo ireo ka tontosa soa aman-tsara ny Alakamisy 18 febroary teo ny fizarana. Tokatrano niisa 1 920 no nisitraka ny tolo-tanana avy amin'ny mponin'Antananarivo. Natao tao amin’ny Stade Barikadimy ny fizarana ho an'ny tokantrano niisa 1170 avy ao amin'ny Fokontany Mangarivotra parcelle 21/51. Tao Tanambao II no nizarana ny fanampiana ho an'ny tokantrano niisa 788 avy ao amin'ny Fokontany Tanambao 2, parcelle 31/14 sy parcelle 31/12 ary ny Fokontany Anjoma parcelle 23/25 sy parcelle 23/21. Kidoro miisa 106 no notsonjaraina ho an'ireo toeram-pitsaboana toy ny hopitaly sy ny CSB2, mpamonjy voina, Polisy monisipaly ao Toamasina. Ankizy maro nahazo Koba aina, ireo vehivavy bevohoka sy mitaiza kely notolorana koba aina 2kg isan'olona. Ireo zokiolona nomena vovo-dronono 1kg isan'olona. Natolotra ny EPP 1904 Tanambao II ireo fanitso sy fantsika ho amin’ny fanarenana ny sekoly. Nifarimbona tamin'ireo tompon'andraikitra ao Toamasina notarihin'ny Ben'ny tanàna, ny lehiben'ny Faritra Atsinanana, ny Prefen'i Toamasina, ny avy amin'ny BNGRC tamin'ny fandrindrana sy fandaminana ary ny fanatontosana ny fizarana ireo fanomezana avy amin'ny mponin'Antananarivo ireo ny solotenan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra notarihin'ny Filohan’ny Filankevitra Monisipaly sy ireo mpanolotsaina monisipaly, nahitana ny Lehiben’ny Vondron’ny Polisy Monisipaly, ny Mpandrindra ara-tsosialy, ny Tale misahana ny fahasalamana sy ireo dokotera mpiara-miasa aminy, ny Tale misahana ny fanajariana ny tanàna, Lehiben’ny Vondron’ny Mpamonjy Voina sy ireo mpamonjy voina izay nanampy tamin'ny fanalana ireo hazo tapaka sy ny fanadiovana ny tanàna. Teo koa ny ekipa misahana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ary ny ekipa misahana ny serasera naneho firaisankina fa tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.
Jean D.
Ireo iraka nifarimbona tamin'ny fizarana ny fanomezana avy amin'ny mponin'Antananarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT