Fiaramanidina tsy alefa mba

hahafahana manao fety


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Tsy tokony ho gaga isika raha mahantra ny firenena»

Tsy hisy fiaramanidina afaka hiainga na hipetraka eo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alakamisy 25 jona, eo anelanelan’ny amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 8 ora sy fahefany alina, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina raha nanao tafa manokana tamin’ny haino aman-jery tamin’iny herinandro lasa teo iny. Fotoana handefasana ny afomanga eny amin’ilay fotodrafitrasa vaovao antsoina hoe «Lac Iarivo» moa io noho ny fankalazàna ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, raha tsiahivina. Fepetra noraisina mba hampizotra tsara izay fankalazàna izay io, hoy ihany ny fanazavàn’ny filoham-pirenena. Ho fisorohana izay loza mety hitranga izany, hoy izy. Nambarany ihany koa tamin’io fotoana io fa efa nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny ACM na «Aviation civile de Madagascar» sy ny tomponandraikitry ny foloalindahy. Hidiana izany ny seranam-piaramanidina mba hahafahana manao fety, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka. Tsy tokony ho gaga isika, hoy izy, raha mahantra ny firenena. Mahita fomba ahafahana mampikatso ny toekarena hatrany ny fitonndràna mijoro, raha toa ka maika ankehitriny, raha ny tena marina, ny fanarenana izany toekarena izany, hoy kosa ny fanehoan-kevitra hafa. Ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo sy fahapoizinana ara-tsakafo no malaza nefa akatoka ny fotoam-pizahantany ao anatin’izao fialàn-tsasatra hoavy izao. Hoavy ny fetim-pirenena fa akaiky ihany koa ny fotoana natao handraisan’i Madagasikara fivoriambe iraisampirenena dia ny fihaonana an-tampon’ny SADC. Izao nefa no zava-misy, hoy ny mpisehatra amin’ny fizahantany, Durlin Retogniane.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT