Manaitra ny maso sy misintona ny saina hanao fampitahana ny mahita ireo fiaramanidina ana fanjakana Afrikanina nifanesy tonga teto Madagasikara naka ilay tambavy Covid-Organics.
Manana fiaramanidina manokana avokoa ireo firenena, raha tsy hilaza afa-tsy i Tanzanie , Tchad, Senegal, Guinee equatoriale ny herinandro lasa teo. Ao ny kely ary ao ny somary lehibe, fa kosa tena raitra avokoa. Mampahatsiahy ny Force One tamin’ny taona 2009, izay namidy taorian’ny fanonganam-panjakana. Efa 11 taona lasa no nanana ny fiadidian’ny Repoblikan’I Madagasikara, saingy na ny vola vidin’izany aza tsy fantatra izay nanaovana azy. Fatina fiaramanidina efa maty kapoka sy tsisy piesy anankiroa no nampidirin’ny fanjakana teto tamin’ny tetezamita noho ny kibizibizina, ka ny orinasa Air Madagascar indray aza no mbola mibaby trosa an-tapitrisany euros maro. Ny Firenena Afrikanina fa manana ny azy, raitra satria ilainy amin’ny asa fampandrosoana. Ny antsika ny teo am-pelatanana tokony hokolokoloina aza toa natao bizina sy tsy hita izay niafarany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.