Mirefotra indray ny dosie goavana iraisam-pirenena izay saropady, mahatafiditra an’i Madagasikara ?
Nanaiky ho natao fitaovana tamin’ny afera iraisam-pirenena saropady i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Fitondrana Rajoelina? Miteraka ahiahy lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fahatongavan’ny fiaramanidina Boeing 777-200 ER miisa dimy (5) tany Iran tamin’ny 15 jolay lasa teo, ary ahiana ho tafiditra amin’ny afera goavana iraisam-pirenena i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny sehatra an’habakabaka sy ny toe-draharaha jeopolitika i Madagasikara. Ireo fiaramanidina ireo dia avy any Siem Reap, Kambodza, saingy nampitondraina laharana famantarana malagasy 5R rehefa tonga tany Iran. Ireo “Triple Sept” ireo izay fiaramanidina taloha an’ny NokScoot orinasam-pifanarahana iraisana natsangan’i Scoot, sampan’ny Singapore Airlines. Fiaramanidina mampiasa motera Trent 800 avy amin’ny Rolls-Royce, araka ny tatitry ny tranonkala https://www.journal-aviation.com/actualites-transport-aerien. Orinasa Indianina antsoina hoe : UDAAN Aviation no voalaza fa nangataka tamin’i Madagasikara io fahafahana hampiasa ny famantarana 5R. Andaniny, misy sazy napetraky ny Tandrefana dia ny Vondrona Eoropeanina miaraka amin’i Etazonia sy ny namany anefa manao ankivy amin’i Iran tsy mahazo mividy fiaramanidina na kojakoja avy amin’ny orinasa Tandrefana toy ny Boeing, Airbus,... Ireo sazy ireo dia vokatry ny fiahiana sy fiampan’ireo firenena Tandrefana sy ny mpiara-dia aminy an’i Iran manoloana ny programam-pamokarana nokleary, fanohanana vondrona mitam-piadiana, fanitsakitsahany zon’olombelona,...
TENA NOMENA LAHARANA
Tsy nandà ny fisian’io ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) fa orinasa indiana UDAAN Aviation no nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny hampiasana vonjimaika ny laharana fiaramanidina malagasy ho an’ireo fiaramanidina dimy ireo. Araka ny fanazavan’izy ireo, dia nilaza io orinasa io fa hampiasa izany laharana izany mandritra ny fandehanan’ireo fiaramanidina ho amboarina any Kenya. Nomena fahazoan-dalana mandritra ny telo volana izany tamin’ny 17 janoary 2025 ka ireto avy izany : Boeing 777-212, S/N 32334 – 5R-RIS ; Boeing 777-212, S/N 30866 – 5R-ISA ; Boeing 777-212, S/N 28522 – 5R-HER ; Boeing 777-212A, S/N 28527 – 5R-IJA ; Boeing 777-212, S/N 33369 – 5R-RIJ. Milaza ny ACM fa araka ny lalàna mifehy ankehitriny, dia taratasy fanamarinana vonjimaika ho an’ny fahafahan’ny fiaramanidina mivezivezy (CDN), sy taratasy fisoratana anarana vonjimaika (CIP), izay mitovy amin’ny fahazoan-dalana miavaka, no nomena tamin’ny 17 janoary 2025, mandritra ny telo (3) volana monja, ho fanatanterahana ny fitaterana ireo fiaramanidina ireo ho any Kenya hanaovana fikojakojana. Inona no tambiny ? Tsy nisy fiaramanidina nankany Kenya anefa fa nijanona tany Shina ireo fiaramanidina nandritra ny fe-potoana fahazoan-dalana, ary taty aoriana, rehefa tapitra izany fahazoan-dalana izany, dia nifindra mangina nankany Iran. Fiaramanidina lazaina fa hampiasaina eto ka nahoana no lasa any Iran ? Eo amin’ny tontolo Jeopolitika, akaiky kokoa an’i Iran ny Sinoa izay iaraha-mahita ny fifandraisany lalina amin’ny Fitondrana Rajoelina ka misy ifandraisany ve ? Milaza ny ACM fa efa tapitra tamin’ny 17 aprily 2025 ireo taratasy ireo, ary tsy nisy taratasy ofisialy hafa navoaka taorian’izany, ka nambara fa misy fihoaram-pefy tamin’ilay fangatahana, ka efa natolotra ny tompon’andraikitra amin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha.
ORINASA TSY ARA-DALANA
Andaniny anefa, efa voalihika sy maty ary tsy ara-dalàna na “strike off” any India ilay orinasa UDAAN Aviation, ka tsy misy mpandray andraikitra ara-dalàna intsony afaka manome fanazavana. Efa talohan’ity fangatahana ity aza no voafaritra fa maty satria ny septambra 2022 no voalaza fa nanan-kery farany, kanefa aty amin’ny janoary 2025 no mifanaraka amin’i Madagasikara. Io tranga io, araka ny fijerin’ny maro, dia manaporofo fa nahita varavarana malalaka ny Fanjakana Iraniana tamin’ny alalan’i Madagasikara, ka nahavita nanao famindrana fiaramanidina an-tsokosoko, na dia teo aza ny fandraràna henjana iraisam-pirenena. Ahiana ny tsikombakomba avo lenta ! Misy àry ny ahiana fa ho voakitika mivantana amin’ny sazy napetraky ny Tandrefana ho an’i Iran i Madagasikara, noho ity fifandraisana tsy mazava sy mampiahiahy amin’ny fanjakana Iraniana ity, na teo aza ny endrika fikoropahana nataon’ny manam-pahefana Malagasy tamin’ny alalan’ny ACM. Tsy vao sambany ny toe-javatra avo lenta tahaka izao nahenoana ny anaran’i Madagasikara na ny mpitondra Malagasy sy ny manodidina azy satria fiaramanidina avy amin’ny orinasana mpandraharaha goavana eto Madagasikara no voatonontonona ho nitondra sy nanamora ny fitsoahan’i Carlos Ghosn ilay mpitantana orinasa mpamokatra fiara malaza Japoney Nissan, saingy nisy afera ara-pitantanana goavana, ka nenjehin’ny Fanjakana, saingy tafatsoaka niazo an’i Turquie sy Liban ny janoary 2020.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.