Nisy indray ny fihaonana teo amin’ireo solontenan’ny “taxi ville” sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly 26 oktobra 2017.
Nandritra izany no nijoroan’ireo Solontenan’ny Taxi Ville nanao fijerena ifotony teny amin’ny OMAVET vavolombelona fa tsy misy atahorana ny fanaovana fitsirihana eny an-toerana fa ahafantarana ny toetran’ny fiara fotsiny. Misy koa ireo tombontsoa maro amin’ny fanamboarana fiara raha misy tsy mety, toy ny vatan’ny fiara, ny loko, ny saodira izay hita teny an-toerana sady amin’ny sarany mora. Manana safidy manokana anefa amin’ny fanamboraana ny fiara fa tsy voatery ao amin’ny OMAVET. Tapaka kosa fa hantsagana ny Fikambanana na« ASSOCIATION » ahafahana miaro ny asan’ireo “Taxi ville” eto Antananarivo Renivohitra. Nanambara ihany koa i Marc Ravalomanana mpanolotsaina manokana, izay solontenan’ny Ben’ny tanàna fa nazava tamin’ny ireo taxi ny fampiasana ny OMAVET ary resy lahatra izy ireo amin’ny fanaovana « visite de conformité » eny an-toerana. Manomboka izao dia afaka manao « Banc d’Essai » maimaimpoana eny amin’ny OMAVET ny taxi rehetra hatramin’ny volana desambra izao. Kendrena ny tombontsoan’izy ireo ary hanampy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Betsaka ny fiarakaretsaka manaiky ny faraha-miasa amin’ny OMAVET, hoy izy. Misy ihany koa anefa ny fitarainan’ireo “taxi”, fa misy mandrahona sy mitoraka ny fiarany ka manao antso avo amin’ireo mpitandro ny filaminana hiaro an’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.