Actualités

Fiarahana amin’ny papasaosy na mamasaosy Fahavarana hatrany no hiafarany hoy pastera Heritiana


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Saika mirona amin’ny fiarahana amin’ny papa saosy na mama saosy avokoa ny ankamaroan’ireo tanora zazalahy sy tanora zazavavy ankehitriny.

Ny 40%n’izy ireny raha kely no manao izany izay tsy tahotra tsy henatra intsony. Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny fahasahiranana sy ny fanniriana te-hanana fiainana tsaratsara kokoa no manosika azy ireny fa tsy tena fitiavana loatra. Faharavana sy fahapotehana hatrany anefa no hiafaran’izany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Nambarany mantsy fa asan-devoly ny firobohana anaty fitiavan-karena tahaka ireny fa tsy tena fitiavana vokatry ny fo. Tsy misy tsara ohatra ny fitiavana vokatry ny fo anefa hoy hatrany izy raha mbola eto an-tany na inona na inona toerana misy ny andaniny sy ny ankilany. Miantso ny tanora mba hitandrina amin’ny fiarahana amin’ny mamasaosy na papasaosy araka izany ity pastera ity mba hananana ho avy mamiratra.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT