Lehilahy manodidina ny 50 taona no hita maty teny Ambohimahitsy ny marainan’ny sabotsy teo
Tombanana ho nodonin’ny fiara raha ny fahitana azy. Nahitana vola sy karine nahafahana niantso ny havany tany aminy. Eny Avaradoha izy no monina. Lehilahy iray tsy manan-kialofana no maty teo Andravoahangy ambony, manolotra ny dabam-pako, omaly maraina. Araka ny filazan’ireo miaraka aminy eo dia tsy manan-kavana eto ity lehilahy nodimandry ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.