Mitsipaka marindrano ny fiaraha-mitantana ny « iles éparses » eo amin’ny Madagasikara sy Frantsa araka ny eritreritry ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ry zareo avy ao amin’ny CNRIE – RPC na ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ny « iles éparses » amin’i Madagasikara
Midika avy hatrany ho faharesena ny fiaraha-mitantana hoy Atoa Zakariasy Patrick talen’ny kabinetran’ny CNRIE – RPC, ary mampiseho fa mbola ambanin’ny Frantsay ihany ny Malagasy, tsy azo ekena izany, hoy ity Tangalamena ity. Ho an’Atoa Alain Ramaroson filohan’ny fikambanana kosa dia tsy manana zo sy fahefana hanapa-kevitra sy hisolotena ny vahoaka Malagasy mihitsy ny filoham-pirenena ka hilaza fa fiaraha-mitantana no atao amin’ireto vondro-nosy atsy amin’ny lakandranon’i Mozambika ireto. Aoka hipetraka tsara ny fifanajana, hoy izy ary tsy maintsy tandrovina tahaka ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena. Nihaona tamin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy teny Tsimbazaza moa omaly ry zareo avy ao amin’ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ny « iles éparses » amin’i Madagasikara, ka fantatra taorian’ny fifampiresahana fa vonona ny hiaraka hiasa amin’ny famerenana ny « iles éparses » amin’i Madagasikara ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Nisy ny antontan-taratasy napetraky ny CNRIE – RPC teny Tsimbazaza io omaly io momba ny dingana rehetra arahana amin’ny famerenana ny « iles éparses » amin’i Madagasikara, ary an’i Madagasikara manokana ireo nosy ireo fa tsy misy resaka fiaraha-mitantana izany. Nandefasana dika mitovy amin’io antontan-taratasy io koa moa ny filoha Frantsay sy ny filoham-pirenena Malagasy ary ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.