Nampahafantarina ofisialy ny 26 aogositra lasa teo ny fiara-miombon’antoka Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fanabeazana, ny kolontsaina ary ny zaza amam-behivavy na ny UNICEF, hifototra amin’ny fampifandraisana sy fisitrahan’ny sekoly tambajotra ”internet”.
Amina firenena 35 no hanatanterahana ny tetikasa, izay haharitra hatramin’ny faran’ny taona 2023. Tanjona mandritra izay telo taona izay ny hamaritra ny lesoka mila harenina amin’ny lafiny fifandraisana, hamaritra mazava ny toerana sy ny fifandraisana amin’ny alalan’ny ”internet” ho an’ireo sekoly sy vondron’olona manodidina azy. Ahafahan’ny ankizy misitraka ireo herijika momba ny fandalinana ny tontolon’ny nomerika ihany koa. Tanora hatrany amin’ny 360 tapitrisa no tsy afa-misitraka ”internet” amin’izao fotoana izao,araka ny antontan’isa navoakan’ny UIT (Union Internationale des Télécommunications), kanefa tokony hisitraka ny fahalalana amin’ny alalan’ny ”internet”, toy ny mahakasika ny valanaretina covid-19 ohatra. Ambany ihany koa ny herijikan’ny tanora sy ny ankizy indrindra ireo marefo mba hampitombo sy hampivelatra ny fahaiza-manaony. Tafiditra ao anatin’ilay finiavana ”Giga” izay natomboky ny UNICEF sy ny UIT tamin’ny taon-dasa ihany koa izao fiaraha-miasa lehibe ataon’ny UNICEF sy ny Ericsoon izao, mba hampivoarana ny fifandraisana. Ny ”Giga” rahateo, dia mikendry ny hampifandraisana ireo sekoly sy ny famaritana mazava ny toerana misy azy amin’ny alalan’ny tambajotra ”internet” na ny « school connectivity Mapping », izay ny Ericsson no mpiara-miombon’antoka voalohany, ary nanatontona volabe an-tapitrisa dolara maro amin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.