Fiaraha-miasan’ny OJM sy ny ELI

Hisitraka fiofanana teny anglisy ny mpanao gazety


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Notanterahina teny amin’ny foibe toeran’ny ELI na English Language Institut

teny Ambatoroka omaly 20 martsa ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM sy ny ELI, izay ivon-toerana mampianatra teny vahiny. Anton’ny fiaraha-miasa ny fanofanana mpanao gazety maimainmpoana amin’ny fianarana ny teny anglisy. Mandritra ny 6 volana ny fiofanana raha ny fanazavana ary mpanao gazey 15 isaky ny andiany no hiatrika ny fiofanana. Nilaza ny filoha mpanorina ny ELI andriamatoa Amonne Landrie fa natao ho fiarovana ny tany sy ny ny teny ny finarana fiteny vahiny ka manana anjara toerana lehibe amin’izany ny mpanao gazety Malagasy. Hisy moa ny mari-pahaizana ankatoavin’ny Fanjakana rehefa vita ny fiofanana. Nomarihin’ireo mpitantana, fa efa manana ivon-toeram-panofanana sy ivon-toerana fitsapam-pahaizana ahafahana maka ny mari-pahaizana iraisam-pirenena ihany koa ny ELI. Manofana ireo ankizy sy mpianatra miomana hiatrika fifaninana na fianarana any amin’ny oniversite any ivelany miteny anglisy ihany koa ity ivon-toerana ity, raha ny fanazavana. Ho an’ny holafitry ny mpanao gazety Ramatoa Rasoloarison Monica kosa indray dia nanamafy izy fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety matianina. Hanamora ny fikaroham-baovao ny fahafehezana ny teny angilisy ary indindra ny fiatrehana ny fihaonamben’ny mpanao gazety aty afrika izay hatao eto madagasikara amin’ity taona ity , izany dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny holafitra eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT