Ny Synodam-paritan’i Toamasina no nanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CNaPS (na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy) sy ny FJKM (na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara).
Nandritra ny roa andro, nomena fiofanana tao amin’ny FJKM Betela Fahazavana ireo mpampiasa sy mpiasam-piangonana eo anivon’ny sahan’ny Fiangonana Protestanta satria toy ny mpiasa rehetra amin’ny sehatra tsy miankina izy ireny ary ny CNaPS no mandray an-tanana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpiasa eny anivon’ny FJKM. Ny fiofanana dia naompana indrindra tamin’ny zon’ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa. Teo ihany koa ny fampahafantarana ny asa iandraiketan’ny CNaPS sy ireo sehatr’asa iasany, sehatr’asa ankapobeny, fampianarana, asa an-tsambo, ny fampianarana, ny asa an-trano ary ny fiangonana. Naharitra roa andro ny fiofanana ka tanjona, hoy Pasitera Rakotondrazanany Handritiana, filohan’ny Synodam-paritanin’i Toamasina Vavahadin’ny Filazantsarany “mba hisitrahan’ireo mpiasa rehetra ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny FJKM, ary tsy hisy intsony ny any ivelan’ny vala fa mba ho tafiditra CNaPS ny rehetra ». Ankoatra ny mpampianatra amin’ireo sekolyFJKM toy ny sekoly Thomas Bevan, sekoly izay naorin’ny LMS (London Missionary Society ) voalohany fony izy ireo tonga teto dia nisy ihany koa mpampianatra avy amina sekoly FJKM miisa 7 no tonga nandray anjara tamin’izao fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy izao. Tonga navitrika ihany koa ireo Mpitandrina sy mpiasa hafa avy amin’ireo sampan’asa sy tetikasa samihafa eo anivon’ny FJKM toy ny SAF, ohatra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.