Fiaraha-miasan’i Betafo sy ny Indonezianina

Hatomboka amin’ny teknika vaovao fiompiana trondro


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Araka ny hita tao amin'ny tranokala manokana ny Masoivoho Indonesia eto Madagasikara " Banglele Indonesia "

dia hisy ny dingana manaraka taorian'ny fitsidihana ny distrika Betafo sy ny fidinana ifotony. Araka ity matoan-dahatsoratra ity dia ho atomboka amin'ny fampiofanana mahakasika ny teknika vaovao fiompiana zana-trondro ny fiaraha-miasa mba hanatsara ny vokatra. Fiaraha-miasa lavitrezaka ny eo amin'ny distrika Betafo sy ny Masoivoho Indonesia eto Madagasikara, haharitra taona maro araka izany, hiompana amin'ny resaka fiompiana trondro sy ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Noho izany indrindra no naha voatendry ny Solombavambahoaka Livasoa Randriatahinamalala ho Vice Président amitié Parlementaire Indonésie - Madagascar. Tsiahivina fa ny fiandohan’ity volana ity no nitsidika ny Distrikan'i Betafo ny delegasiona notarihin'ny Mpiraki-draharaha indonezianina Lanang Seputro taorian'ny adisisika nataon'ny solombavambahoaka Livasoa Randriatahinamalala nihaona tamin'ny mpiara-miombon’antoka, mpandraharaha... Ho valim-pitiana amin’ny fitokisana nomen'ny vahoakan'i Betafo azy, sy ho tombontsoa sitrahan'izy ireo. Nisy fihaonana tamin'ny tantsaha, indrindra ny mpiompy trondro. Miavaka amin’ny fananany kaoperativa ara-dalàna mpiompy trondro 300 i Betafo, eo ihany koa ny fananany ny farihin'i Tatamarina, ka nijerena ny hifampizarana traikefa, indrindra eo amin’ny lafiny fiompiana trondro no natao, ary santatra ambavarano ihany.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT