Tanora iray voapoizina teny Ambohimalaza
sy mpanao gazety iray hotsaboina any Rosia
Mivelatra amin'ny sehatra marolafy ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Rosia. Ankoatra ny lafiny ara-tafika dia manan-danja koa izany fiaraha-miasa izany amin'ny sehatra ara-pahasalamana sy amin'ny lafiny maha-olona. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika dia misy mpitsabo rosianina tonga eto an-toerana, mandray an-tanana mivantana ireo tanora, akanga sisa nanamborana, mbola velon'aina tamin'ny raharaha fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza tamin'ny 14 jona 2025. Misy mbola marary hatramin'izao ka avy hatrany dia noraisin'ireto mpitsabo rosianina ireto ny fitsaboana azy ireo. Misy iray amin'izy ireo mbola tena tsy salama ka nandraisan'ireo mpitsabo rosianina fanapahan-kevitra ny handefasana azy maika any Rosia mba hahazoany ny fitsaboana sahaza. Tovovavy iray hafa narary tamin'iny raharaha Ambohimalaza iny koa no hampidirin'izy ireo hopitaly eto Antananarivo ka hifarimbona amin'ny fitsaboana azy ireo mpitsabo rosianina ireto, ka mbola ny Firenena rosianina ihany no handray an-tanana ny lany rehetra amin'izany fitsaboana izany. Ankoatra izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao dia noraisin'ny Firenena rosianina an-tanana koa ny fandefasana ilay mpanao gazety voatifitra tetsy akaikin'ny Toby Ratsimandrava nandritra ny tolona tamin'ny oktobra 2025 hotsaboina any Rosia. Fantatra fa hisy mpitsabo rosianina hafa ho tonga tsy ho ela eto Madagasikara ka hizara traikefa amin'ireo mpitsabo Malagasy mikasika ny fitsaboana ny tranga fanapoizinana toy izao.
Nangonin'i Jean D.
Mpitsabo rosianina nijery ny toe-pahasalaman’ireo sisa nanamborana tamin'ny fanapoizinana teny Ambohimalaza
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.