Actualités

Fiaraha-miasa Etazonia-Afrika Hentitra ireo fepetra napetraky ny Amerikanina


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Nampiana-desona ireo mpitondra Afrikanina mba hahay hanaja ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia ny sekreteram-panjakana Amerikanina John Kerry ny alatsinainy lasa teo nandritra ny kabariny tao amin’ilay fihaonana manan-tantara eo amin’i Etazonia sy Afrika any Washington. Soatoavina iombonan’izao tontolo izao ny fananana firaisamonim-pirenena matanjaka, ny fanajana ny demokrasia sy ny fanajana ny zon’olombelona, hoy izy, fa tsy hoe fotokevitra ijoroan’ny Amerikanina samirery

Antonony raha fe-potoam-piasana in-droa ihany 4 taona na 5 taona in-droa ohatra ny an’ireo filoha aty Afrika fa tsy ho eo amin’ny fitondrana mandra-pahafatiny na mandra-pirodany, hoy ny sekreteram-panjakana amerikanina. Mazava ny tenin’ity diplaomaty ity fa tena hanery ireo mpitondra Afrikanina mba hanaja ny lalàmpanorenana misy ao amin’i Etazonia. Nomarihan’i John Kerry ihany koa fa hiaro hatrany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety i Etazonia. Mazava ny resaka eto fa ireo nambaran’ny sekreteram-panjakana amerikanina ireo no fepetra apetrak’i Etazonia dieny ety am-piandohana ho an’ireo firenena afrikanina te hiara-kiasa aminy. Miankina betsaka amin’ireo noho izany ny tena firosoantsika eto Madagasikara amin’ny tsenan’ny AGOA. Fanambarana fotsiny ihany ilay hoe tafaverina ao isika fa mbola resaka hafa ny tena fanatanterahana izany satria i Etazonia manokana dia mahita fa tsy mbola milamina tsara ny eto Madagasikara. Vao tamin’ny fiandohan’ny volana jolay no nitaky ny hanatanterahana izay voasoratra ao amin’ny tondrozotra sy ny hamelana ireo sesitany politika hody malalaka eto Madagasikara ny Amerikanina, ary nanakiana ihany koa ilay fampidirana am-ponja ny mpanao gazety farany teo. Tsy azo adinoina fa firenena matanjaka indrindra manerantany i Etazonia ka manana ny teny ambarany amin’ny zava-drehetra, indrindra fa ny fampirisihana ny fahatongavan’ireo mpamatsy vola any amina firenena iray. Raha tsy mbola voahaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ary tsy omena ny toerana sahaza azy ny firaisamonim-pirenena eto amintsika, dia tsy ho avy eto izany ny mpamatsy vola na tonga fa manify dia manify ny fanamiana hoentiny, ka dia hitsefotra daholo indray ireo fandaharanasa novolavolain’ny mpitondra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT