Actualités

Fiaraha-miasa CNaPS – BOA Manamora fisotroan-dronono ho an` ireo zokiolona


  • Zoma 13 Novambra 2020

Hatramin`izay tsy manan-tsafidy ireo zokiolona rehefa maka fisotroan-dronona fa dia miaritra filaharambe. Misy mihitsy no mamonjy filaharana vao maraina aza. Manoloana izany.

 

 

Miara-miasa izao ny CNaPS sy ny BOA Madagascar ho fanavaozana sy ho fanamorana ny fisotroan-dronono ho an` ireo zokiolona 50 000 sy ho an` ireo misitraka vidina takaitra 5 000 mpikambana ao amin`ity tahirim-bolam-pirenena ity. Misokatra ho an`ireo manana fifandraisana amin`ny CNaPS ny tambajotra ao amin`ny banky BOA manafaingana ny fikirakiran` izy ireo ny volany. Ahitana ny tolotra “Mauve” izao fiaraha-miasan` ny roa tonta izao, ho an`ireo zokiolona sy mpisitraka vidina takaitra, manamora ny fiainan`izy ireo toy ny fahazoana mampiasa GAB (guichet automatique de la banque) miisa 155 amin` ny fotoana rehetra. Io tolotra io ihany koa dia karazana kaonty tahiry (épargne) ka hisy fampitomboina zana-bola, araka izany. Manome fanazavana ny tombontsoa rehetra ny BOA Madagascar amin`ny alalan`ny tambajotrany, manampy mivantana ireo misotro ronono sy mpisitraka vidina takaiktra ao amin`ny CNaPS maniry hanokatra petra-bola. Izao fiaraha-miombon`antoka izao koa ny hanombohan` ny CNaPs ny fanavaozana ny fanampiana ara-tsosialy

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT