Actualités

Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina Manamboninahitra 32 nahazo fiofanana


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Nisy ny fiaraha-miasa ara-tafika teo amin’ny Malagasy sy ny Amerikanina, niompana tamin’ny resaka haitarika na « leadership ».

 

 Niarahaba ireo manamboninahitra Malagasy vao nahavita fiofanana momba ny fahaiza-mitantana IPAL na ny "International Professional Advanced Leadership » teny amin'ny CEMES Soanierana ny Masoivoho Amerikanina Robert T.Yamate niaraka tamin'ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier omaly zoma 8 septambra. Tao anatin’ny tapa-bolana lasa izay dia manamboninahitra zandriny avy amin’ny Tafika sy Tafika an-dranomasina miisa 32 no nanaraka fiofanana momba ny fahaiza-mitantana nomen'ny mpampianatra avy amin'ny Ivontoerana Fampiofanana Navy, any Etazonia. Ity fampiofanana IPAL mitety vohitra ity dia natao hanohanana sy hanamafy ny fahaiza-mitariky ny tafika maneran-tany ary izy ity dia mitentina 50,000 dolara. Ity no andiany faharoa amin'ny fampiofanana mitety vohitra IPAL izay novatsian’i Etazonia vola eto Madagasikara. Natao tao Antsirabe ny andiany voalohany tamin’ny taon-dasa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT