Fiaraha-miasa amin’i Algérie

Nanolotra ny fanendrena azy ny masoivoho vaovaony


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto

Madagasika tamin'ny Filoham-pirenena ny Masoivoho vaovaon'ny Repoblika alzeriana demokratika etim-bahoaka, Andriamatoa Filali Ghouini ny andron’ny omaly. Efa amam-polo taonany maro no nisian'ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ary hohamafisina bebe kokoa ireo sehatra ahafahana miara-miasa indrindra eo amin'ny lafiny ara-toe-karena, ny fifandraisana ara-barotra sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary ny fampianarana ambony sy ny fanofanana arak'asa, hoy ny fampahatsiahivan’ny Fiadidian’ny Repoblika Malagasy. I Madagasikara izay marihina fa isan’ireo misitraka vatsim-pianarana maro avy amin’i Algérie saika isan-taona. Tsara ny manamarika fa tsy manana ambasadaoro any amin’io firenena io isika, ary na ny any Maroc izay nampanantenaina tamin’ny dian’ny filoha sy ny delegasionina notarihiny tany ny oktobra 2022 fa hotendrena tsy ho ela aza tsy nisy mandrak’ity ny androany. Io omaly io ihany koa no nanolotra ny taratasay manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara ny masoivoho vaovaon'ny Repoblikan'i Korea Atsimo, Ramatoa Park Ji-Hyun. Hotohizana ary hamafisina ihany koa ireo tetikasa efa natomboka indrindra eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fotodrafitrasa, hoy ny tatitra.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT