Miteny foana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana isaky ny mitsidika an’i Etazonia ny filoham-pirenena Malagasy, araka ny fanamarihana nataon’ity farany teny am-pahatongavana teny Ivato ny faran’ny herinandro lasa teo
Mieritreritra ho tompon’ity firenena ity angamba izy ka afaka manome baiko ny mpitondra Amerikana, hoy ihany ny fanampim-panazavany. Ny faran’ny herinandro teo ihany koa anefa no nihaona tamin’ny mpiandraiki-draharaha Amerikana miasa eto Madagasikara, Eric Wong tao Afrika Atsimo ny rain’i Madagasikara Am-Perinasa. Fifanojoan-javatra ihany koa ve sa misy antony manokana ny faneken’ireo firenena roa lehibe goavana dia Etazonia sy i Alemana hiaraha-hiasa indray amin’i Madagasikara. Firenena roa matanjaka ary manana ny maha-izy azy ireo eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Porofon’izany ireo masoivoho vaovaon’izy ireo voatendry hiasa sy honina eto amintsika dia i Robert T Yamate sy Harald Gherig. Tsy afenina ary fantatry ny besinimaro moa fa tena akaikin’ny filoha Ravalomanana Marc ny Amerikana sy Alemàna. Nilaza rahateo ny filoham-pirenena am-perinasa fa mari-pototra ankehitriny ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana Amerikana. Ho an’ny mpanara-baovao dia tsy isalasalana fa misy dian-tànan-dRavalomanana io fiverenan’ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena roa ireo. Midika ve izany fa mbola i Dada ihany no tompon’ny lakile ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.