Actualités

Fiarabe nivadika tetsy Antsahabe : Mpandeha 8 no naratra


  • Zoma 29 Janoary 2010

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy Antsahabe, manoloana indrindra ny magazay “mascotte”, omaly folakandro tokony ho tamin’ny 1 ora. Nivadika teo afovoan-dalana ny fiarabe mpitatitra olona Mercedes 508 an’ny zotra kaoperativa Komi mampitohy an’Ambohijatovo amin’i Tsilazaina.

 

Raha ny fanazavan’ireo mpandeha tao anatiny dia avy any Ambohijatovo midina an’Antsahabe ity fiara ity no tapaka tsindry hisatra na “frein” ka nadonan’ilay mpamily tamin’ny fiara 4x4  nifanena taminy ilay fiara mba hijanonany. Tsy nahatana ilay fiara mpitatitra anefa izay hevitry ny mpamily izay fa nitarika ny fivadihany teo amin’ny arabe. Vokany, olona 8 no naratra, ka ramatoa iray no tena voa mafy satria vaky ny lohany raha ny fitantaran-dRtoa Emelynne nanatri-maso ny fitrangan’ny loza. Nisy renim-pianakaviana iray ihany koa tapaka ny tongony raha ny fanazavany ihany. Tsy dia nisy naninona kosa kosa ny hafa. Nentina notsaboina avy hatrany tao amin’ny Espace medicale izay manoloana indrindra ny toerana nisian’ny loza ireo naratra, raha fotoana fohy taorian’izay no tonga teny an-toerana naka azy sy nitatitra azy ireo teny amin’ny hopitaly HJRA ny fiara mpitondra marary. Momba ilay fiara 4x4 land rover “gris” kosa indray dia potika ny ilany havia aoriana saingy tsy nisy naratra kosa ireo mpandeha tao anatiny.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT