Actualités

Fiarabe nandona Sprinter 7 no maty,10 naratra mafy


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

Lozam-piarakodia mahatsiravina no nitranga tamin’ny lalam-pirenena faharoa 10 km miala an’i Moramanga omaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Fiara Sprinter iray no nifandona tamina fiarabe

 

. Nikarepoka mihitsy ny lohan’ilay fiara Sprinter, nivoaka hatramin’ny motera. Araka ny fitantaran’ireo nifamoivoy tamin’iny RN2 iny halina dia nandeha mafy ilay fiarabe, ka olona 7 tao anatin’ilay sprinter no maty tsy tra-drano avy hatrany 10 kosa no naratra ary efa nentina any amin’ny hopitalin’i Moramanga. Nananosarotra ny fisokirana ireo olona tao anatin’ny fiara, hoy ireo nanatri-maso ny zava-nisy tany an-toerana. Fantatra ihany koa fa taksibe avy eto an-drenivohitra fa nanao « spécial » nitondra olona nanatrika fanokanana mpiandry  ity fiara Sprinter niharan-doza ity. Matetika no hitrangana loza tahaka izao ny lalam-pirenena faha-2 iny satria maro ireo fiara mandeha mafy, rehefa mahita fa malalaka ny lalana, eo ihany koa ny tsy fitandremana avy amin’ny mpamily sasany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT