Actualités

FIARA ZO-Ministeran’ny fitsarana Nihainoana ny hetahetan’ny vahoaka sy nampahafantarana ny lalàna


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Vao nandray ny toerana amin'ny maha-Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana azy ny Minisitry ny Fitsarana Ramatoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana dia nametraka ireo maika sy laharam-pahamehana.

Lohalaharana amin’izany ny fitsarana manakaiky vahoaka, ka isan'ny paikady entina manatanteraka izany ny Fiara Zo. Niainga tetsy amin'ny biraon'ny Minisitera teny Faravohitra izy io omaly. Hitety tanana maro ny Fiara Zo, ka omaly Alarobia ohatra dia nihazo an'i Talata Volonondry sy Ankazondandy, izy ireo raha ao Anjozorobe kosa anio Alakamisy 27 Aprily. Fihaonana amin'ny vahoaka no hatao mandritra izany hanazavana ny zo sy ny lalana tokony ho fantatry ny olona, handraisana ny hetaheta sy ny fitarainan'izy ireo…. Ny mpitsara, ny mpirakid-raharaha, ny mpandraharahan'ny fonja, ny mpisolovava, ny notaire samhafa no mifarimbona amin'ny fanazavana ny andraikiny sy ny tsara ho fantatra mandritra izany. Tsiahivina moa fa anisan’ny ivon-toerana tena mampitaraina ny maro ny tribonaly etsy Anosy, antony iray tsy maintsy hihaonan’ireto tompon’andraikitra farany amin’ny vahoaka ihany koa hanazavany izany mivantana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanombohan’ny hetsika omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT