Actualités

Fiara vita Malagasy "Gasycar" Ny Sinoa sy Alemà no hamokatra azy…


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly ny marika fiara ambara fa tena vita Malagasy dia ny “Gasycar”, ka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nitarika ny lanonana.

 

 

 

 

Efa nisy ny vokatra nampirantiana tamin’izany. Moto 100 marika Gasycar no nomena ny polisim-pirenena. Mitovy tsy misy valaka amin’ny fiara marika Foday F22 sy ny Kantaka any Ghana vokarin’ny orinasa Sinoa Guangdong Foday Automobile Co no naranty omaly. Ny firenena Sinoa sy Alemana rahateo no miara-miasa hanamboatra ny fiara sy moto marika Gasycar. Voalohany dia hametraka ny “usine de montage” ka eto Madagasikara no harafitra ny fiara kendrena ho tafapetraka hatramin’ny faran’ny taona. Faharoa ny fametrahana toeram-pivarotana hahafahan’ny Malagasy manjifa. Afaka 3 taona, dia vokarina eto Madagasikara avokoa ny 50% amin’ny fampitaovana ilaina, hoy ny fanazavan’ny Filoha Rajoelina. Tsy mbola vokarina eto Madagasikara fa ny marika famantarana na “logo” izany no hapetaka amin’ity fiara ity. Ny “usine d'assemblage” ana mpamokatra fiara avy any ivelany no heverina fa hatao eto, toy ny misy any Rwanda. Olona 100 eo no voalaza fa hampiasaina ao anatin’ny Gasycar. Zava-dehibe sy manandratra ny Malagasy ny fametrahana indostria lehibe tahaka izao, saingy somary nandiso fanantenana ihany ny serasera ampiasaina amin’ny hoe Vita Malagasy, kanefa karazana paikady ara-barotra toy ny fanao amin’ny tontolon’ny “marketing” izy ity hoe: misy fiara anankiray vitan’ny sinoa na ny firenen-dehibe dia ny mpanjifa avy aty amin’ny firenena toa antsika no misafidy ny marika sy sary famantarana tiana hapetaka aminy. Isan’ny tena ahitana an’io ny tontolon’ny finday. Mora kokoa ny mivarotra azy rehefa hoe vita Malagasy ny marika atao aminy.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT