Actualités

FIARA TSY NETY NIJANONA Nitifitra avy hatrany ny polisy


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Nitrangana seho hafahafa indray teto Antsirabe ny alin'ny talata 05 aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 8 ora sy sasany alina

Fiara iray mantsy no voalaza fa notifirin'ny polisin'ny FIP teny andrefan'ny Orinasa Star rehefa nosakanany satria nosakanana ka  tsy nijanona. Vokany dia lehilahy iray teo amin'ny ilany havananan'ny fiara no voan'ny bala ny feny havia. Tsy mitovy ny fanazavana teo amin'ny andaniny sy ankilany ka mbola ao anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana ary tsaboina ao amin'ny Hopitaly atsimo ilay voatifitra. Raha ny nambaran'ny niharam-boina tamin'ny mpanao gazety mantsy dia nitondra mpiteraka ho ao amin'ny hopitaly hono izy ireo ary mba efa nandrehitra jiro mipipiaka ihany ka tsy nijanona na dia nosakanana azy fa nirifatra ny ho any amin'ny hopitaly ihany. Rehefa niverina teo amin'ilay lalana ihany izy ireo dia mbola nosakanan'ireo polisy ihany ary nijanona tokoa. Raikitra ny fifanazavana ka nolazain'ireo niharam-boina fa mamo ilay polisy ka dia novelominy ny fiara ary niainga izy. Tezitra ilay polisy ka dia nitifitra ny kodiarana fa tsy nahavoa ka ny fiarana no notifiriny ka tsy ilay saofera no voa fa ilay teo anilany no nandalovan'ny bala ary dia tsabina ao amin'ny hopitaly atsimo amin'izao fotoana. Raha ny fanazavana avy tamin'ny polisim-pirenena indray dia teo aloha ny fandavan'ireo nitondra fiara ny fisavana izay nataon'izy ireo, izay tsy ara-dalana izany saingy mamo ihany koa hono ilay saofera ary nanompa sy nivazavaza tamin'ireo mpitandro filaminana nanao ny asany ka izay no nifamaliana ary tsy vitan'izany fa saika andeha hitsoaka ilay fiara no nahatonga azy ireo nitifitra. Namarinin'izy ireo fa saika ny kodiarana tokoa no ho tifirina fa tsy voa ka nahavoa ny fiara ny tifitra faharoa ary mety nahavoa ilay ranamana tao anatiny. Nambaran'izy ireo koa fa feno vatan-dehilahy tao anatin'ilay fiara no antony tena nanankanana azy mba hamarinina. Raha ny fanazavana ihany moa dia nohon ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana ao Antsirabe no nandraisan'ny FIP ny fiambenana amin'iny lalam-pirenena faha 34 miankandrefana iny ka mahatonga azy ireo hisava ny fiara rehetra mandalo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT