Nanolotra fiara marika Hongqi H9 2.OT miisa 16 ny Firenena sinoa ho fanomanana ny
fandraisana ny Fihaonana an-tampon’ny SADC (Southern African Development Community) andiany faha-45, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 30 aprily lasa teo. Anatin’ny fiaraha-miasa mahomby misy eo amin’ny Firenena roa tonta io, raha ny seraseram-panjakana. Ankoatra ireo fiara, hisy teknisianina sinoa ho eto Madagasikara hampiofana ireo teknisianina Malagasy amin’ny fikojakojana ireo fiara vaovao ireo. Ny orinasa sinoa FAW no mpamokatra ity karazana fiara azo lazaina ho raitra dia raitra ity. Rehefa nojerena ny vidiny, dia eo amin’ny 49 500 dolara na manodidina ny 222 750 000Ar eo ny iray amin’ity fiara ity ary mety ho tafakatra avo 5 heny amin’izany aza, izany hoe manodidina ny 3,5 miliara Ar eo izany ny tontalim-bidin’ireo fiara 16 raha raisina amin’io vidiny io. Zava-dehibe ny fanomezana saingy tsy misy ny zavatra mandeha ho azy amin’ny lafiny diplaomasia. Inona no mety ho tambiny ? Serasera ataon’ny Sinoa sy ny Fanjakana fa rehefa tsy nanome zavatra nivaingana i Lafrantsa dia aseho fa misy hafa vonona sy efa miandry fotsiny ? Vao miresaka SADC dia manakaiky kokoa amin’ny resaka « anglophone » rahateo ? Misoko sy manamafy ny toerany aty amintsika rahateo ny sinoa. Tsy dia be pitsopitsony amin’ny fiaraha-miasa ara-toekerana, fa kosa henjana be amin’ny fitadiavana tombotsoa samihafa toy ny resaka harena an-kibon’ny tany. Iarahana mahita ny fihazakazahan’ny sinoa eto amin’ny sehatry ny volamena, vato, jono,… Anisan’ireo Firenena manana harena an-kibon’ny tany betsaka sy akora fototra amin’ireo teknolojia samihafa i Madagasikara, ka samy miady sisika maka toerana eto ny Amerikanina, ny Rosianina, ny Sinoa,… Tahaka izany ihany koa amin’ny lafiny harena an-dranomasina. Tsy vitan’izay, fa miezaka miditra an-tsehatra amin’ny sehatra stratejika eto amintsika, toy ny tontolon’ny fambolena izay izy ireo no mpamatsy masomboly vary safiotra ho an’ny Malagasy izay tena volabe no miodina ao anatiny. Mbola ireo ihany koa no hanaovan’ny Fanjakana Rajoelina pi-maso amin’ny resaka angovo rehefa mihisatra ireo fiaraha-miasa amin’ny Firenena matanjaka hafa,... Na amin’ny lafiny teknolojia sy kolontsaina aza, miezaka manapariaka ny azy eto ny sinoa ary mahavita mamoaka volabe amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery eto amintsika. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : mifandanja amin’ny tombotsoa goavana alain’ny sinoa eto ve ny tamberiny avy aminy sitrahantsika sa mbola manamafy hatrany ny domina tapany handoa erany sy ny fivarotan-tanindrazana sy harem-pirenena mivantana na ankolaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.