Actualités

Fiara nivarina tany anaty rano Nodimandry ny Lehiben’ny distrikan’Ivohibe


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Ihosy ny lehiben'ny distrikan'Ivohibe, Ramatoa Rakotomamonjy Norosoanambinina Andrée,

raha ny vaovao avy an-toerana voaray omaly. Nentin'ny rano teo amin'ny tetezam-baton'i ranon'i Menarahaky, izay mirefy 600 metatra ny fiara nitondra azy, ka rendrika niaraka tamin’izany ity tompon’andraikitra ara-panjakana ity. Nifampitadiavana ary efa hita ny vatana mangatsiakany, raha toa ka mbola karohina kosa ny olona roa niaraka taminy, iza zandary ny iray raha ny fanamarihana. Olona fito hafa kosa no naratra ary efa manaraka fitsaboana. Anabavin'ny loholona Rakotomamony Neypatraiky moa ity Lehiben’ny distrika nodimandry noho ny loza tsy nampoizina ity. Avy namonjy lanonana tany Ihosy ny tenany ary saika hody any Ivohibe, hamonjy ny fetin'ny vehivavy izao niharan-doza izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT