Actualités

Fiara niala kodiarana Olona roa namoy ny ainy, roa hafa tsy mahatsiaro tena


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Izany tokoa ny hoe : “patsa iray tsy omby vava !” Avy nandray olona tao Vohidiala ity fiara fitaterana Mercedes 508 no sendra ny tsy nampoizina.

. Iny izy mandeha mafy iny no nipitika tampoka ny kodiarana teo aloha. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana ka nivarina tany an-tanimbary ny fiara. Vokany, olona roa no maty teo no ho eo ary olona enina tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly Ambatondrazaka. Ny roa amin’ireo tsy mbola nahatsiaro saina hatramin’ny ora nanoratanay. Am-polony koa ireo naratra, saingy afaka namonjy fodiana rehefa nahazo fitsaboana. Fanindroany izao no nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tahak’izao ny lalana mapitohy an’i Vohidiala sy Manakambahiny Andrefana. Ny fandehanana mafy hatrany mazàna no miteraka ny loza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT