Actualités

Fiara “Golf Type 4” teny Akadindratombo Nidona avy eo nirehitra


  • Alakamisy 17 Aogositra 2017

Fiara iray marika "Golf type 4" nidona teo amin'ny "Rond point" teny Ankadindratombo ny talata alina tokony ho tamin'ny 11 ora, ka may kila forehitra tsy nisy noraisina.

 Olona roa no tao anatin’ny fiara. Nangaka fitaovana famonoan'afo na "extincteur" tao amin'ny toby mpaninjara solika iray tsy dia lavitra teo ireo mpivady tao anatin'ny fiara hamonoana ny afo fa tsy nomen-dry zareo, kanefa tokony ho avotra ihany ny fiara, raha ny fitantarana.  Raha ny fanehoan-kevitra hafa moa dia voalazafa mamo ny mpamily io fiara io, ka izay no niteraka ny loza. Efa matetika hitrangana loza ihany koa anefa eo satria teo amin'io toerana io ihany no nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona iray ny 23 jolay lasa teo. Maizina loatra mantsy eo, ka matetika hitrangana loza, ary tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana mihitsy ny tondro isan-karazany eo raha ny fanehoan-kevitry ny mpampiasa fiara vitsivitsy. Efa miisa roa izany izao ny lozam-pifamoivoizana niseho teo, ary efa namoizana ain’olona mihitsy, ka tsy hay na hiandry fanintelony na faninefany ny tompon’andraikitra vao handinika sy hijery sao mba ny resaka fotodrafitrasa sy ny tondro momba ny fifamoivoizana tokoa no isan’ny mitera-doza. Ilaina ihany koa ny mitandrina hatrany satria ny aina tsy hananam-piry.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT