Actualités

Fiantsonan’ny taksibrosy ao Fianarantsoa Zaza 4 taona maty nianjeran'ny entana


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Nitrangana loza mahatsiravina tao amin’ny toby fiantsonan'ny taksibrosy Ankazondrano, Atsimo Fianarantsoa omaly talata 08 Aogositra maraina.

Zazalahikely vao 4 taona monja no maty nianjeran’ny entana avy eny ambony fiara. Raha ny fitantaran'ny rain'ity zaza ity dia avy any Ambalavao izy sy ny vadiny ary io zanany namoy ny ainy io, toerana fiavian’izy ireo. Nikasa hamonjy fiara ho any Nosy Varika toerana filany voninahitra izy ireo taorian’izany kinanjo sendra ny patsa iray tsy omby vava. Raha mbola variana ny nitady fiara ilay raim-pianakaviana no nianjera tampoka tamin’ilay zanany tsy manan-tsiny ny entana ka voatsindry tao ity farany. Voa teo amin'ny lohany ilay zaza ka rehefa nentina tao amin'ny Hopitaly Tambohobe dia tsy tana intsony ny ainy. Raha ny vaovao avy amin'ny mpitandro ny filaminana moa dia mbola tadiavina ilay olona nihavian'ny loza. Ny tranga tahaka izao no ilana fitandremana hatrany indrindra fa rehefa mitondra ankizy. Mety tafaporitsaka tampoka mantsy izy ireny indraindray ka tsara hatao andry maso.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT