Fiankinan-doha amn’ny sigara

Te-hiala ny 70%n’ireo mpifoka


  • Zoma 31 Mey 2024

Te-hiala amin’ny sigara izay fohany isan’andro ny 70%-n’ireo olona voafatotr’izany eto amintsika.

Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona Raim-pianakaviana iray mantsy dia mahalany sigara 1 fonosana isan’andro izy, izany hoe : miisa 20 izay efa hahazoana vary 5 na 6 kapoaka eo ho eo. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa miteraka tsy fahasalamana ho an’ireo ankohonany ny fifohany izany sigara izany ankoatra ny tenany izay efa tratry ny homamiadan’ny avokavoka.
Nambarany araka izany fa tena loza mananontanona ho an’ny fiaraha-monina ny fifohana sigara indrindra fa ho an’ireo ankizy sy tanora. 10 taona mantsy no zandriny indrindra mandray izany izay marihina fa mbola mpianatra. Antony mahatonga izany ny fisian’ireo toeram-pivarotana enta-madinika 100 metatra miala ny sekoly no sady mitombo isa hatrany nefa tsy misy fepetra raisina. Mba ho fanampiana ireo 70% te-hiala ireo ary dia fantatra fa hanome torohevitra maimaim-poana etsy amin’ny efitrano malalaky ny lisea Faravohitra ny Centre Aro Aina etsy Andravoahangy anio . Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny fifohana sigara izay homarihina anio Zoma 31 mey izany. Nambaran’ny dokotera Miarintsoa izay hanampy ireo olona mifoka sigara te-hiala amin’izany fa ilana finiavana ny fialana amin’ny sigara. Rehefa manam-pahavononana kosa anefa ilay olona dia notsindriany fa tsy sarotra izany.
Legende : Ny aza manandrana hany fa tena sarotra ny miala amin’ny sigara(Sary fanehoana)
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT